- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy namehana : Lehilahy nisandoka ho « commissaire » voasambotra

Sabotsy namehana : Lehilahy nisandoka ho « commissaire » voasambotra

Lehilahy iray 51 taona, nisandoka ho « commissaire divisionnaire  de Police » no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny commissariat central Sabotsy Namehana, ny  sabotsy  09 jolay 2016 lasa teo.

Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa teny Anosy Avaratra no sarona ny zavatra nataony. Nisy polisy nanao ny asany teny an-toerana. Nilaza ity olona ity, hoy ny vaovao nampitaina taty amin’ny gazety, fa « commissaire » izy sady mpanolotsaina any amin’ny praiminisitra. Dia nalainy ny telefaonina teny aminy ary niantso olona maromaro izy. Tamin’io fotoana nisavana azy io dia nilaza ny anao lahy fa hamoaka olona tazonina eny Sabotsy Nemehana, hoy hatrany ny vaovao.  Rehefa natao anefa ny fanadihadiana isan-karazany, dia fantatra fa tsy tsy miasa eny Mahazoarivo akory ity olona ity. Nisy karatra maromaro hita tany aminy, karatra misy anarana fa ny nomerao no miovaova. Fantatra fa zanaka mpitandro filaminana efa misotro ronona izy. Efa natolotra ny Fampanoavana tamin’ny faran’ny heriandro teo ity olona ity.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici