Olona enina no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny BC 4, ny 07 jolay lasa teo, teny Ambolonkandrina. Nahatrarana fitaovana antsoina hoe « détonateur électrique » mahery vaika tany amin’izy ireo, hoy ny vaovao voaray. Nisy enina izany fitaovana izany. Rehefa nojerena ireo zavatra ireo, dia efa notohizana tamina tariby lava dia lava. Nandeha ny fanadihadiana ka fantatra fa, teny Ivato no nahazoan’ireo olona ireo, ireto « détonateur » ireto. Tsy nijanona teo ny polisy, fa nidina teny Ivato nanohy ny fikarohana. Lehilahy iray no nosamborina tamin’izany. Nosavaina ny tranony ka mbola nisy « détonateur » enina hafa ihany koa hita tao aminy. Ankoatra izany, nisy « capsule de protection » 16 sy vata hazo iray nitahirizana ireo fitaovana ireo sy vovoka « porous prills ammonium nitrate » (PPAN) milanja 300 gr sy gony iray nasiana ireo vovoka ireo.
Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa fitaovana hampiasaina amin’ny famakiana vato ireto tratra ireto. Ny nahavariana, dia izy ireo hita teny amina olon-tsotra. Tsy nijanona teo araka izany ny fanadihadiana fa, nandeha nidina tany amin’ilay orinasa mpamaky vato voalaza fa tompon’ireo zavatra ireo. Olona telo avy hatrany no natao famotorana mahakasika ity raharaha ity. Nohenoina izy ireo ny amin’ny fomba nahatafavoaka ireo zavatra mipoaka ireo avy tao amin’ilay orinasa.
Ny vaovao hatrany no ahafahana milaza fa rehefa nojerena akaiky ny fandehan-javatra, dia nilaza ny tompon’andrikitra fa mahafeno ny fepetra ahafahana manamboatra baomba artizanaly mahery vaika ireo zavatra tratra ireo. Ny alatsinainy teo moa no natolotra ny Fampanoavana ireo olona rehetra tratra tamin’ity fivarotana zavatra mipoaka ity. Folo izy ireo ka lehilahy sivy nalefa eny Tsiafahy ary ilay vehivavy eny Antanimora. Manamarika ny loharanom-baovao, fa nokasaina hamidy ireo zavatra tratra teny Ambolonkandrina.
r.s.