Nosamborina afak’omaly ary natolotra ny fampanoavana omaly ilay mpisandoka ho “manager”-n’ny tarika Nina’s. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola nitohy ny fihainoana azy tao amin’ny fitsarana. Tsy olon-kafa fa mpifanerasera amin’ny tarika ihany izy io raha araka ny fanazavana azo. Mitety ireny olona mila fampisehoana ireny izy ary tena mipetraka ho lehiben’ny tarika mihitsy, mandidy sy manapaka. Tamin’ity raharaha iray ity dia mahakasika fikarakarana fampisehoana izay tokony natao tao Ankazobe nandritry ny fetin’ny fahaleovan-tena no nifanarahany tamin’ny vondrona iray tao an-toerana. Efa nangalany vola ary efa voasonia hatramin’ny fifanarahana. Saingy tsy hita ny tarika Nina’s tamin’ilay fotoana. Tsy fantatry ny tarika akory aza ny tokony hisian’izany fampisehoana izany satria izy tamin’io fotoana io dia efa nanao tany an-toeran-kafa. Teo amin’izay no nanomboka ny fametrahana fitoriana, na izany teo amin’ny mpikarakara na izany avy amin’ny tarika. Afak’omaly ary dia voasambotra ilay mpisandoka, rehefa nozohiana ny laharana finday fampiasany. Manana taratasy fanaovana “contrat” mihitsy ilay olona ary voafehiny tsara ny pitsopitsony rehetra mifanaraka amin’izany. Manamora ny asaratsiny izany ary efa betsaka ny voafitany tao anatin’ny fifanarahana. Manaratsy endrika tanteraka ny sehatry ny zava-kanto eto amintsika ny toe-javatra toy izao. Ny antony dia vao tsy ela akory izao no nisy ny fifampitoriana tamin’ny mpikarakara hetsika tany Lafrantsa sy ny mpanakanto vehivavy iray fanta-daza eto Madagasikara noho ny fifanarahana izay voatsipaka ihany ka niteraka fatiantoka amina miliara ho an’ny mpanafatra. Nalaza tany ivelany izany satria nisy raharaham-pitsarana nisokatra mihitsy. Izao koa dia mbola misy “manager” sandoka izay mandoto ny sarin’ny mpanakanto.
D.R