- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Miaramila hita faty tao amin’ny « camp », olona...

Ambalavao : Miaramila hita faty tao amin’ny « camp », olona telo voasambotra

Miaramila iray niasa tao amin’ny « Force de développement » RM2 Fianarantsoa niasa tao amin’ny camp Maromanana any Ambalavao hita faty tao amin’io toerana voalaza io tamin’ny faha-11 jolay teo. Razafihita nitondra ny giradina adjudant  chef ity namoy ny ainy ity. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa maty voatetika novonoin’olon-tsy fantatra izy io. Voalaza fa izy irery no tao amin’ny efitra nisy azy tamin’io fotoana io. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa ankevitry ny efa tamin’ny tolakandro no maty tao an-tranony tao ity miaramila ity. Efa tany amin’ny 7 ora hariva anefa vao nisy nahita ny fatiny. Zanaka miaramila mipetraka ao amin’ny « camp » avy nivarotra akoho ihany no nahita izany. Io no nanaitra ny rehetra avy eo. Nisokatra teo no ho eo ny fanadihadiana. Rehefa nojerena akaiky dia tsikaritra fa very ny basy kalach an’ity miaramila ity. Nandeha haingana ny raharaha teo. Fantatra araka izany fa hita ilay basy very ary misy olona telo nosamborin’ny mpitandro filaminana. Na izany aza, mitohy ny fikarohana ataon’ny tompon’andraikitra satria misy olona hafa ankaotra ireo efa tratra voarohirohy amin’ity famonoana ity.

Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa vao avy nandeha tany Vangaindrano ity miaramila ity, izao hita faty izao. Nisy fahoriana tsy maintsy nandehanany tany. Vao tafaverina anefa izy dia izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Hatramin’izao aloha,tsy fantatra marina ny antony namonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’ity miaramila ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici