- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversVohemar : Mpangalatra lavanila 3 lahy, lavon’ny balan’ny zandary

Vohemar : Mpangalatra lavanila 3 lahy, lavon’ny balan’ny zandary

VOHEMARMirongatra izay tsy izy ny fangalarana lavanila amin’izao fotoana izao noho ny fahatsaran’ny tsena. Omaly, tao amin’ny distrikan’i Vohémar, 3 lahy voalaza fa mpangalatra lavanila no maty tsy tra-drano lavon’ny balan’ny zandary. Raha zohina ny zava-niseho, 6 izy ireo no niaraka nanafika tanimbolin’olona ny alin’ny talata lasa teo. Marihina fa nirongo basy izy ireo nandritra izany fanafihana izany. Tratran’ny fokonolona teo am-panaovana ny asa ratsiny anefa ireto farany ka dia raikitra nanomboka teo ny fifanenjehana. Nisy ihany koa ireo niantso ny zandary mba hanara-dia ireo mpangalatra. Vokany: omaly maraina ihany dia tra-tehaky ny zandary nandeha tongotra tao amin’ny kaominina ambanivohitra Tsarabaria, faritra Analanana izy enin-dahy ireo. Nisy arak’izany ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Telo tamin’ireo mpangalatra no lavon’ny balan’ny zandary fa ny telo ambiny kosa mbola tafatsoaka. Mbola eo am-pikarohana ireto namany tafatsoaka ireto ny zandary amin’izao fotoana izao. Ny fatin’ireo mpangalatra telo lahy kosa dia navelan’ny olona eo an-tokontanin’ny hopitaly Ampanefena. Andrasana izay mety ho tohin’ny fikarohana.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici