“Raha handeha ho any Ambohitsoa hanao fisafoana izahay ka nandalo teo Antsakaviro, hihazo an’Ambanidia iny, no nisy taxi-be iray niala lavaka ary nifatratra tany aminay. Nipitika ny kodiarana alohan’ny fiara maitso nentinay ary vokatr’izany dia tsy voafehy intsony ny familiana ka nifatratra tany amin’ny ilany ankavanana izay nisy lehilahy iray nitaingina bisikileta. Voadona io farany vokatr’izany rehetra izany ary naratra. Nipitika ihany koa ny dobera marobe nentiny. Tsy vitan’izany fa mbola nisy taxi-be iray hafa indray koa nidina tamin’ilay lalana ary mbola nifatratra tao aminay koa. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ilay rangahy naratra ary noraisinay an-tànana ny fisaboana azy. Tsy misy atahorana ny ainy. Ny dobera izay nentiny kosa izay mitotaly eo amin’ny 180.000 ariary eo ny vidiny, dia nisy nangalatra avokoa. Mbola nosoloinay ihany koa izany. Efa nosokafan’ny brigade des accidents (BAC) ny fanadihadiana rehetra ary samy nohainoina avokoa ireo voakasik’ity lozam-pifamoivoizana ity. Mirary fahasitranana ho an’ny naratra izahay ary koa manentana ny mba hanetsemana ny lavaka satria io no tena nitarika ny loza”, raha araka ny fanazavana azonay tamin’ny pôlisy.
D.R