- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversBoeny : Zandary roa matin’ny dahalo

Boeny : Zandary roa matin’ny dahalo

Omaly maraina tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany no raikitra ny fifanandrinana teo amin’ny zandary sy ny dahalo. Niteraka fahafatesana izany. Roa ny zandary maty, raha araka ny tatitry ny zandary eto Andrenivohitra, ary nisy koa ny olon-tsotra roa hafa izy namoy aina. Nahazo fampandrenesana maika (alerte) ireo mpitandro ny filaminana izay nanao fisafoana tao amin’ny tanàna iray manodidina an’Anjiajia, Boeny. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany izy ireo ary tao anatin’ny andro maizina no raikitra ny fifandonana.  Maty tamin’izany fifandonana izany ny zandary mpiana-draharaha Andrianrina Zo Nantenaina noho ny tsindrona antsy. Ny iray kosa, izay lehibeny, zandary “Hors-Classe” dia maty voatifitra teo amin’ny tratrany. Ireo olona roa indray dia tompon’ny omby nangalarina ny iray ary isan’ny mpanara-dia ny iray. Vokatr’izany rehetra izany, dia lasan’ireo dahalo ny basy kalaky   roa an’ireo mpitandro ny filaminana ary izany dia niaraka tamin’ny bala maromarpo. Vao naheno izany ny lehiben’ireo zandary ireo, teo anivon’ny Cirgn, dia nandefa 30 lahy avy hatrany hanao ny fanarahan-dia sy ny savahao ireo olon-dratsy. Vao naheno izany ny lehiben’ireo zandary ireo, teo anivon’ny Cirgn, dia nandefa 30 lahy avy hatrany hanao ny fanarahan-dia sy ny savahao ireo olon-dratsy. Isan’ny baiko azon’ireo ihany koa ny fitadiavana ireo fitaovam-piadiana. Ireo zandary izay namoy ny ainy raha araka ny fanazavana azo, dia  teo am-panaovana asa famotorana no nahazo ilay “alerte” ka nidina an-tsehatra avy hatrany. Raikitra ny savahao amin’izao fotoana izao any amin’io toerana io.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici