Notanterahina androany 15 jolay 2016, tamin’ny 9 ora maraina tao amin’ny Commissariat central Tsaralalàna, ny famindram-pahefana teo amin’ny Commissaire Divisionnaire de Police, Ratsihombahina Germain (commissaire central teo aloha) sy ny Commissaire Principal de Police Tsaramonina Ravony Jean Victor (commissaire central vaovao).
Nanambara ny commissaire central vaovao fa efa betsaka ny vita ary mbola hiezaka hanao misimisy kokoa noho ny teo aloha.Tsy handraraka ilo mby an-doha amin’ny fanatratrarana ny vina napetraky ny minisitera ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy ka tsy maintsy hisy ny fanatsarana sy fanavaozana ny fomba fiasa mba hahazoana vokatra tsara miantefa mivantana any amin’ny vahoaka. Notsindriany ny ezaka hatao amin’ny fomba fiasa momba ny fandriampahalemana sy ny fandrindrana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra mba ho andry iankinan’ny fandriampahalemana hatrany ny Polisim-pirenena.
Nangonin’i r.s.