Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray, teny amin’ny làlam-pirenena fahenina iny, ny zoma 15 jolay lasa teo. Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva, kamiao iray avy any Ambilobe hihazo ny renivohitra indray no nifaoka zaza 4 taona monja teo amin’ny PK 144, kaominina ambanivohitra Ankiririka. Vokany, naratra mafy ilay zaza. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy tao anatin’izany. Nandray ny fepetra nitondra haingana an’ity zaza ity, teny amin’ny hopitaly ao Port-Bergé ireo rehetra nanatri-maso ny loza. Avotra soa aman-tsara ihany ilay zaza noho izany na dia teo aza ny hamafin’ny dona nahazo azy. Hatreto, tsy fantatra mazava izay nahatonga ny loza. Efa teny an-toerana rahateo ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny borigady mampikony naao ny « constat » rehetra. Efa notazonina eny amin’ny biraon’izy ireo ihany koa ilay fiara sy ilay mpamily azy anaovana ny fanadihadiana rehetra.
Niony H.