- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ankizivavikely 9 taona simba tanteraka naolana tovolahy 24 taona

Toliara : Ankizivavikely 9 taona simba tanteraka naolana tovolahy 24 taona

Simba tanteraka ilay zazavavikely vao 9 taona monja naolana tovolahy 24 taona, ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro tany Toliara. Ny dadatoany izay anadahin-dreniny ihany no nahavita nanolana an’ity ankizivavikely kamboty ray ity, satria maty notifirin’ny dahalo tany amin’ iny faritra Beroroha iny, telo volana lasa izay ny rainy, ka nifindra monina tao Toliara izy sy ny reniny niaraka tamin’ny anadahiny zokiny roa. Raha ny fanazavana azo dia tsy tao an-trano ny reniny sy ireo anadahiny fa nandeha naka mangahazo tany an-tsaha, ka ilay zaza sy ny dadatoany izay nilaza narary ity farany no nijanona tao an-trano. Nararaotin’ity dadatoany tsy mataho-tody ny tsy fisian’olona tao an-trano nanaovany ny filan-dratsiny mamohetra tamin’ilay ankizivavikely tsy manan-tsiny. Nigogogogo nitomany tsy nety nampanginina ilay zaza voaolana raha vao nahita ny reniny, ka rehefa nofotorana dia nitantara ny zava-nihantra taminy. Nandositra kosa ary mbola karohina hatramin’izao ilay mpanolana, izay voalaza fa mpidoroka rongony.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici