- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nidina any ny pôlisy avy eto Tanà

Toamasina : Nidina any ny pôlisy avy eto Tanà

Hampandry fahalemana no antondian’ireo pôlisy antsoina hoe “saka mainty” avy eto an-drenivohitra. Efa andro vitsivitsy izy ireo no tany nanao ny asany. Na izany aza anefa dia mbola misy ihany ny asan-jiolahy any amin’ny toerana sasantsasany. Isan’izany ny fahitàna fatin’olona iray feno dian’antsy teo akaikin’ny CRJS Toamasina. Mandeha ny fanadihadiana momba ity vonoan’olona ity. Lasa faritra mena amin’ny asan-jiolahy ny renivohitra ekonomikan’i Madagasikara. Anton’ny nandefasana mpitandro ny filaminana nofanina manokana hampandry tany izany. Andrasana ny mety ho vokatr’izany.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser