Mpirahavavy samy sipana lehilahy iray efa nisara-bady, no nifamono nifanindrona zava-maranitra, ka samy naratra mafy, afak’omaly hariva, tao amin’ny fokontany Amborongony Toliara. Raha ny fanazavana azo, dia samy tsy mahafantatra izy mirahavavy ireto fa ampirafesin’io raim-pianakaviana io, fa ny alatsinainy hariva teo vao vaky am-batolampy ny nafenina rehetra hatrizay raha nandeha hanao tampi-maso hampiseho tamin’ny ray aman-dreniny ny olona haka vady azy ilay zandry vavy 19 taona. Tezitra ilay zokiny raha vao nahita izany, ary vao mainka niakatr’afo raha nandre fa hatao any Fianarantsoa tanindrazan’ilay lehilahy ny volana aogositra ho avy izao ny mariazy.
Velona avy hatrany ny fifamaliana teo amin’ny telo tonta ka valalanina ny rehetra tao an-trano sy ny mpiray vodirindrina. Noho ny henatr’olona, dia nivoaka ny trano ilay lehilahy saika hanao fomba, fa izy mirahavavy kosa mbola nifandramatra hatrany. Tsy nijanona tamin’ny fifamaliana am-bava intsony ny resaka, fa niafara tamin’ny fifampitolomana. Samy tsy nahatsindry fo ny roa tonta ka naka zava-maranitra ary nifamono. Naratra mafy teo amin’ny baon-tanany havia ilay zokiny, raha teo amin’ny takibany kosa ny an’ ilay zandriny. Nigogogogo nitomany sady nanongo tena menatr’olona koa ny ray aman-drenin’ ireto mpirahavavy niady lehilahy izay romotra nifamono.
Eric Manitrisa
Toliara : Mpirahavavy iray tampo niady lehilahy, samy naratra mafy
Articles qui pourraient vous intéresser