Roa taona lasa no nitrangan’ity vono olona feno habibiana nitranga tao Ambodimanga II Fenerivo atsinanana ity, saingy isany niteraka olana ara-piarahamonina noho ity tranga ity tena tafiditra tamin’ny “heloka ara-pitiavana” noho ny hala-bady sy fangalaram-pitia teo ity tovolahy efa manambady ity.
Mpivady efa hain’olona an-tanana tsara ity tovovavy antsoina hoe Falestine na i Falisy sy i Rodin ity. Nandritra ny fiaraha- nisy ireo izay fanaon’ny olona any ambanivohitra ny manao tokantranomaso amin’ny fiarahana. Nandritra izay anefa, dia nisakaiza tamin’ity tovovavy antsoina hoe Nana i Rodin ity. Na niafina aza izy roa tamin’ny fangalaram-pitia nataony, dia hain’i Falisy ihany ny farany, ka teo no niteraka ny fahatezeran’ity tovovavy ity; izay niteraka ny fikasany hamono ho faty an’i Nana, izay nambarany tamin’ireo namany izany fikasany izany noho ny fangalarana ny vadiny.
Indray andro, nisy alim-pandihizana tao an-tanàna, ny taona 2014. Teo no niketrika ny fomba hamonoany an’i Nana i Falisy, izy rahateo efa niteny tamin’ny vadiny fa hamonjy io alim-pandihizana io raha tsy vonona tamin’izany kosa ity tovolahy vadiny. Tonga ny alina dia nivoaka ny trano hamonjy ilay alim-pandihizana i Falisy; noho ny tonga tamin’ny efitrano hanaovana ilay alim-pandihizana anefa izy, dia i Nana no hitany niresaka tamin’ny sakaizany taloha, i Arsene. Nantsoiny hiresaka taminy anefa i Nana tamin’izay fotoana izay ka nihataka olona maro nitangorona izy roa vavy. Nandritra izany no namonoany an’i Nana izay nokendainy ary rehefa maty dia mbola nosesehany hazo 05 mirefy 20sm teo ny fivavian’ity ambarany fa rafivaviny. Ny maraina vao hitan’ny olona ny fatin’i Nana.
Raha nandà ny heloka vitany teo anivon’ny fitsarana ady heloka be vava nandritra ny fitsarana omaly maraina i Falisy, dia niaiky ihany ny farany ny heloka vitany tamin’izao vono olona feno habibiana izao. Nefa raha namoaka didy ny mpitsara ny fitsarana ady heloka, dia nanome sazy 05 taona an-tranomaizina asa an-terivozona azy noho ny raharaha tafiditra amin’ny heloka ara-pitiavana. Ilay sakaizan’i Nana taloha kosa nafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana tamin’izao raharaha izao.
Malala Didier