- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : Trano may: “gaz” tsy nihidy no niatombohan’ny afo

Ankadindramamy : Trano may: “gaz” tsy nihidy no niatombohan’ny afo

Omaly maraina, trano iray izay misy rihana roa manakaiky ny fanaova-mofo taloha eny Ambohidahy Ankadindramamy indray no nirehitra. Samy tsy nisy nanampo na inona na inona ny manodidina rehetra fa ny setroka mainty efa niakatra no nahafantarana fa misy trano may indray. Niredareda tokoa ny afo ary vetivety dia nitatra noho ny fitsokan’ny rivotra mafy dia mafy. Voalaza fa “gaz” tsy nihidy no niatombohan’ny afo. Nisy tamin’ireo nanatri-maso no avy hatrany dia niantso ny “pompiers”. Na dia teo aza ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra dia vetivety ihany dia tonga teny an-toerana namono ny afo ny teo anivon’ny “pompiers”. Marihina fa tsy misy ny olona naratra na may na maty tao anatin’’izao hain-trano izao. Ireo entana sy ny fanaka rehetra tavela tao kosa dia kila tanteraka tsy nisy azo noraisina intsony. Matetika itrangana hain-trano raha iny faritra Ankadindramamy iny. Vao tsy ela akory izay no nisy trano may noho ny adina mpivady.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici