- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Taksiborosy voatafika, lasan’ny jiolahy ny entana rehetra

RN7 : Taksiborosy voatafika, lasan’ny jiolahy ny entana rehetra

Nitrangana fanafihan-dahalo mpanakan-dalana indray tamin’ny làlam-pirenena fahafito, omaly naraimbe, tokony ho tany amin’ny 2 ora sy sasany tany ho any, 35 km tsy hiditra an’i Fianarantsoa raha avy Ambohimahasoa hihazo an’i Toliara iny. Fiara taksiborosy iray hihazo ny tapany atsimon’ny nosy iny no norobain’ny jiolahy. Mpanakan-dàlana efatra no avy hatrany dia nihanika teny ambony fitoeran’entana ary nadidy ireo tady sady nisafidy ny entana tian’izy ireo nalaina teny ambony « porte bagage ». Metatra vitsivitsy miala teo dia nipoitra tampoka avy any anaty kirihitr’ala ny valo lahy raha kely indrindra, izay mbola tanora avokoa raha ny fahitana azy, nandraoka ireo entam-barotra natsipin’ireo namany avy eny ambony fiara. Izay naha voabata dia nitsofoka any anaty ala. Ilay fiara kosa amin’io tsy sahy nijanona fa nanohy ny diany hatrany noho ny tahotra ny ain’ny mpandeha. Tao anatin’ny lalan-dratsy feno lavaka sy rano ary fotaka mandrevo tsy ahafahan’ny fiara mandeha mafy no nanafihan’ireo jiolahy ity taksiborosy ity. Na dia teo aza ny tora-bato nisesisesy nataon’ireo jiolahy mpanakan-dàlana dia tsy nisy ny naratra na aina nafoy tamin’ity fanafihana ity. Raha ny voalazan’ireo mpamily dia matetika hisehoana fanafihana toy izao amin’ny RN7 iny, noho ny haratsin’ny ankamaroan’ireo làlana, indrindra eo anelanelan’ Ambohimahasoa sy Fianarantsoa satria làlana mirefy 56 km halaina adiny roa mahery kely, ary mandady mihitsy ny fiara mandalo amin’ny ampahan-dàlana sasany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici