- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversVOHEMAR: Mpangalatra lavanila telo maty voatifitry ny zandary

VOHEMAR: Mpangalatra lavanila telo maty voatifitry ny zandary

Nambaran’ny Commandant de Compagnie Territoriale ao Vohemar fa nisy halatra lavanila masaka 300kg nataon’ny jiolahy (6) enina nitam-basy tao amin’ny tananan’ Anjiamavo fokontany Analovana, Kaominina Ambanivohitra Fanambana, 42 km miala ny distrikan’i Vohemar ny alin’ny 12 jolay teo. Basim-borona no nentin’ny roalahy, pistolet kosa ny an’ny roalahy hafa ary baramina ny roa sisa. Naharay  antso an-tariby ny zandary dia lasa nandeha tany amin’ilay toerana. Zandary sivy lahy ka ny efatra avy tamin’ny Brigade Territoriale Vohemar ary dimy kosa niaraka tamin’ny Commandant de Brigade ao Ampanefena. Olona tsara sitra-po no nanome loharanom-baovao ireo zandary. Natao avy hatrany ny fisavana ireo fiara rehetra avy ao Vohemar. Ireo zandary avy any Vohemar mpanara-dia kosa nianatsimo nanatona azy ireo ka nankany Ampanefena. Rahefa tonga tany ny avy aty avaratra dia hita fa efa nahasambotra olona  telo nitondra antsilava lela sy baramina ireo zandary avy ao Ampanefena. Tany koa no nahazoan’izy ireo lohanaom-baovao fa nankany Ambinanin’Andravory ireo olon-dratsy ireo. Rahefa tafahaona ireo zandary roa tonta ireo teo amin’ny toerana voalaza etsy ambony dia nisy olona nitifitra basy nisesisesy azy ireo. Namaly ireo mpitandro filaminana ka tamin’izany no nahavoatifitra ny telo tamin’ireo mpangalatra.  Amin’izao fotoana izao, olona fito no nosamborina tamin’ity halatra ity ny roa no voalaza ho tena atidoha ary dimy hafa  kosa mpiraitsikombakomba amin’ireo jiolahy. Ny efatra amin’izany dia niaraka tamin’ny fiara ka nilaza tamin’ireo zandary fa nirahina haka ireo lavanila nangalarin’ireo jiolahy ireo, dia izao tratra sy voasambotry ny zandary izao. Amin’ireo fito voarohirohy amin’ity raharaha ity ireo dia telo amin’izy ireo mbola migadra 5 taona an- tranomaizina fa navoaka ny fonja. Ny roa amin’ireo telo ireo no isan’ny maty tamin’ny fifampitifirana ary ny iray hafa avy tamin’ireo nilaza fa nirahina haka ny lavanila halatra tamin’ny fiara.

REMI, Rakotonirina

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici