- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona tetsy Itaosy : Nalefa eny Tsiafahy ny olona telo

Vono olona tetsy Itaosy : Nalefa eny Tsiafahy ny olona telo

Vita omaly, ny fihainoan’ny fampanoavana ireo olona sivy ; izay voarohirohy ho namono nahafaty na koa niray tsikombakomba tamin’izany. Mahakasika ny fahafatesan’ny mpivady efa misotro ronono tetsy Itaosy izany, izay novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina , ny alin’ny zoma hifoha asabotsy  teo. Olona telo no naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Ny iray hafa eny Antanimora, heverina ho ilay vehivavy mpanampy an-trano. Ny dimy kosa nahazo fahafahana vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Vono olona sy fikambanan-jiolahy ary firaisana tsikombakomba tamin’ny vono olona ny antony niampangana azy ireo, raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana  niandraikitra ny famotorana. Mbola notanana ho tsiambaratelo kosa hatreto ny anton’ny famonoana na dia nisy aza ny loharanom-baovao izay nanazava fa noterena hatramin’ny farany ireo mpivady mba hiteny zavatra izay nanontanian’ireo namono azy. Tao anatin’izay, dia nampijaliana tanteraka. Raha ny loharanom-baovao hatrany, dia tsy nety nilaza izay nanontaniana hatramin’ny farany izy roa. Niafara tamin’ny famonoana ho faty izany. Nisy vata fanafenana tsiambaratelo tao amin’ilay trano, raha araka ny loharanom-baovao hafa indray, ary io no heverina fa nokendren’ireo olon-dratsy. Nisy “code” anefa izany ary tsy voavahan’ireo raha tsy avy amin’izy mivady. Dia izany ihany koa no anton’ny nampijaliana mafy azy roa, izay raha hiverenana kely, dia olona efa nahazo taona, efa nisotro ronono, mahery ny fitopolo taona avy. Mbola handeha ny famotorana lalina izay hotontosain’ny sojaben’ny mpitsara ary izay vao tena ho tonga amin’ny fotoam-pitsarana. Ao anatin’izany no mety hivoahan’ny tena anton’ny famonoana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici