Nitrangana vaky fasana indray tany Anjozorobe. Fasana roa tsy mifanalavitra toerana no indray vaky tamin’izany ary razana 10, ka 5 isaky ny fasana no nalain’ireo mpangalatra tamin’izany. Ny alarobia antoandro lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any, no nahatsikaritra ny fasana efa nivoha nidanadana ny tompony. Rehefa nidirana ary ity fasana, akory ny hagagana fa efa banga razana dimy tao. Avy hatrany dia nampandre ny manodidina ilay tompom-pasana. Nisy tamin’ireo no niezaka nanara-maso ny fasana rehetra teny an-toerana. Tamin’izany ihany koa no nahitana, fa nisy fasana iray hafa koa vaky, tsy lavitra an’iry voalohany. Nantsoina arak’izany ny tompon’io fasana faharoa io. Nosavainy ireo razana tao ka fantatra fa razana 5 hafa koa no efa tsy tao intsony. Marihina fa samy ao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Ambohivelona, distrikan’Anjozorobe, no misy ireo fasana roa vaky ireo. Ireo tompom-pasana roa ireo avy eo no niaraka nampandre ny mpitandro ny filaminana ny amin’ny zava-mitranga. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo zandary nandray an-tànana ny raharaha. Misokatra arak’izany ny fanadihadiana ary efa mandeha ihany koa ny famotorana iandraiketan’ny Borigady Anjozorobe. Izany rehetra izany no manambara fa efa manerana ny Nosy mihitsy ity resaka vaky fasana.
Niony H.