- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAntaninandro : Mpaka BEPC telo voakapoky ny « bois rond »

Antaninandro : Mpaka BEPC telo voakapoky ny « bois rond »

Ny iray tafatsoaka, ny iray naratra mafy ary ny fahatelo kosa torana tsy nahatsiaro tena. Izany no nitranga tetsy Antaninandro, teo amin’ny toerana antsoina hoe Sainte-Marie kely, ny alin’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny 11 ora. Raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia mpianatra avy nanao fanadinana BEPC izy ireo ka mba nirevirevy teo amin’ny manodidina. Teo indrindra no nisy nanafika tampoka izy telolahy. Tsy nanaiky mora foana anefa ireo tovolahy izay mbola samy tanora mazava loatra. Nitondra hazo izay « bois rond » ny fiantso azy tato ho ato, ary nisy fantsika izany. Ny iray ihany no tafatsoaka tao anatin’ny fifanandrinana. Ireo roa naratra mafy, indrindra fa ilay iray izay voatery novelomina teny amin’ny hopitaly. Tsy nisy zavatra nalaina na very akory teny amin’ireto tanora ireto, raha araka ny vaovao azonay hatrany. Mampametra-panontaniana vay hatrany izany ny amin’izay tanjon’ity resaka « bois rond » ity. Vehivavy matetika no tena lasibatr’ireo olon-dratsy mitazona izany ary iny faritr’Ambohitsoa sy Ivanja iny no tena mihorohoro amin’izany. Efa maro ny maty ary betsaka ihany koa no nitondra takaitra rehefa novelesina tsy nanànana antra ny vatany. Tsy mbola sarona hatreto ny tena tompon’antoka ary tsy fantatra manaraka izany ihany koa ny tanjona amin’ny famonoana ireo olona tsy manan-tsiny. Ho avy koa izao ny fanadinana Bac ary manaraka izany ny manala azy vita fanadinana. Mila mitandrina ireo tanora ary mila hamafisina ny fiarovana ny ain’izy ireo satria io fotoana io dia toy ny efa fomba narahina hatrizay, hany ka tsy ho voatàna velively izy ireo amin’ny fivoahana alina. Marobe araka izany ny tokony handray andraikitra, miainga amin’ny ray aman-dreny, ireo mpianatra ary mazava loatra ny mpitandro ny filaminana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici