- Publicité -
lundi, décembre 22, 2025
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : «Taxi-brousse » nitondra mpandeha 70 mahery, nivadika

Imerintsiatosika : «Taxi-brousse » nitondra mpandeha 70 mahery, nivadika

IMERINTSITOSIKANitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny làlam-pirenena voalohany omaly hariva tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany. « Taxi-brousse » iray izay fantatry ny maro amin’ny hoe « garaba », mampitohy ny distrikan’i Manalalondo amin’ny renivohitra, no nivadika teo amin’ny fiolahan-dàlana iray teo Fonenana, làlana 2 km tsy hidirana an’ Imerintsiatosika raha avy aty Antananarivo. Tsy fantatra hatreto ny nahatonga ity fiara ity nivadika fa raha ny fitsarana azy ivelany dia tena efa fiara tsy tokony hiasa intsony izy ity. Marihina fa mpandeha eo amin’ny 70 mahery eo no nentin’ity fiara ity. Ny nahagaga anefa dia tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tamin’izany lozam-pifamoivoizana izany na dia teo aza  ny hamafin’ny dona nampivadika ity fiara ity. Niala hatramin’ireo kodiarana roa ao aloha mihitsy. Ireo mpandeha tao anatiny no nanazava fa ny hamaroan’ny olona tao no nahatonga ny tsirairay ho voaaro tsy nikodiadia nanaraka an’ilay fiara. Na izany na tsy izany, ilaina hatrany ny mametra ny fiara afaka mitondra mpandeha fa mampidi-doza ny ain’olona izany.

Niony H.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici