# – Ambohimahasoa. Filoham-pokontany maty voatifitra. Ny 21 jolay lasa teo, nisy fanafihan-jiolahy niseho tany amin’ny tanana antsoina hoe Soanatoanimaro any amin’ny distrikan’Ambalavao. Vokany, maty notifirin’ny mpangalatra ny filoham-pokontany.Bala telo no voalaza fa niantefa teny amin’ity olona ity. Lasan’ny dahalo ny omby efatra. Ny zandary avy ao amin’ny kaominina Isaka no misahana ny fanadihadiana mahakasika ity fanafihana ity.
# – Analalava. Lehilahy maty voavely kibay. Ny 21 jolay teo, lehilahy iray no fantatra fa maty noho ny vely kibay nahazo azy. Tamin’ny 10 ora no nahitana ny razana ary olona telo no voarohirohy amin’izany, lehilahy roa sy vehivavy iray monina ao Ambahijeby Atsimo. Nisy alim-pandihizana tao amin’io toerana io ka tamin’izany no nivelesan’ny sasany azy. Tsy fantatra marina kosa ny anton’ny famonoana hatramin’izao. Efa nandeha tany an-toerana ny zandary avy ao Analalava hikaroka ireo voalaza fa nahavita izao famonoana izao.
Nangonin’i r.s.