- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Hiady amin'ny kolikoly ny zandarimariam-pirenena

Moramanga : Hiady amin’ny kolikoly ny zandarimariam-pirenena

Tontosa ny 22 jolay, ny lanonana ara-miaramila namoahana   ireo mpianatra tao amin’ny sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena ao Moramanga. Izany dia natrehin’ireo manamboninahitra marobe notarihin’ny Jeneraly Rasolofonirina Beni Xavier, minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny Jeneraly Paza Didier Gerard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Teo koa ny Jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Jeneraly Razafindrakoto Lanto Harinjaka, lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika malagasy. Taorian’ny lanonana miaramila, dia nisy ny kabary manetriketrika nifanesy nataon’ny manampahefana izay nandray fitenenana ary samy nanamafy avokoa na ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena tamin’izany fandraisam-pitenenana izany, ny mahazava-dehibe ny tsy maintsy hanaovana ny ady amin’ny kolikoly sy ny hanamafisana hatrany ny fikaroham-baovao sy ny fiaraha-miasa .Nisongadina tamin’izao lanonana izao ny fahatongavan’ny antokon-tafika samihafa izay manamarina hatrany, fa iray tsy mivaky tokoa ny foloalindahy. Ny Komandin’ny sekoly, ny Kolonely Ramasitera Ny Haingo Zafinirina sy ny solontenan’ny mpiofana dia misaotra ny nanome aina ny fotoana rehetra nandritra ny namoahana ireto mpianatra ireto, izay mitotaly 301. Vonona izy ireo ankehitriny hiatrika ny andraikitra miandry azy ireo manerana ny lafivalon’ny Nosy. Isan-taona dia ahitàna tera-tany vahiny hatrany mandranto fiofanana ao amin’ity sekoly ambony ity.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

5 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici