Tsy mitsahatra mihitsy ny famonoana olona eto amintsika. Zazavavy 15 taona indray no hitan’ny fokonolona faty tao amin’ny fokontany Antanimbary, distrikan’i Maevatanàna, ny asabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany ho any. Tokony ho 400 metatra miala amin’ny tanàna no nahitan’ny olona ny razana. Hatreto, tsy fantatra mazava izay tena nahafaty ity ankizivavy ity. Misy ireo nanamarika fa vono olona an-kitsirano izao niniana natao izao. Marihina mantsy, fa nodorana tamin’ny bozaka ny volon’ilay zazavavy ary nofatorana tariby ihany koa ny tendany. Tsy voamarina kosa na voaolana izy na tsia. Ireo fokonolona nahita ny zava-nitranga no nampandre haingana ny manampahefana sy ny mpitandro ny filaminana. Nidina avy hatrany teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nandray an-tànana ny raharaha ny zandary avy any an-toerana narahana dokotera tao amin’ny CSB II nanao ny fizahana ny razana. Hatreto, tsy mbola nisy olona nahafantatra ilay zazavavy na fianakaviana nitonona ho tompon’ilay razana. Natolotra ny fokonolona izay nanolo-tena an-tsitra-po handevina azy arak’izany ny vatana mangatsiakan’ilay zazavavy. Misokatra kosa ny fanadihadiana ary efa mandeha ny famotorana.
Niony H.