- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Fisavorovoroana nahafatesana olona

Ambanja : Fisavorovoroana nahafatesana olona

Nitrangana fisavorovoroana nahafatesana olona indray tany Antofoka, fokontany Antsapandrano, Kaominina Ambanja. Ny alarobia lasa teo, manodidina ny tamin’ny 11 ora antoandro tany ho any, mpikambana dimy avy ao amin’ny Vondron’olona ifotony (Comité local de base) miaro ny tontolo iainana any an-toerana, no nidina ifotony nanao fisafoana ny valan-javaboahary sy ireo toerana arovana manodidina. Vokany : olona 6 teo am-panaovana saribao tao anaty ala honko no tra-tehak’izy ireo tamin’izany. Rehefa niroso tamin’ny fifampiresahana ny amin’ny antony nanaovan’ireto mpaka saribao ireto izao asa ratsy voararan’ny làlana izao anefa ireo vondron’olona ifotony, dia novalivalian’izy ireo tsy misy fanazavana mazava. Raikitra arak’izany ny savorovoro sy fifandonana. Olona roa avy ao amin’ny fikambanana Vondron’olona ifotony no naratra mafy vokatr’izany ; izay raim-pianakaviana mananika ny 60 taona avokoa. Tafaporitsaka ihany koa ireo olona 6 mpaka saribao izay nahatonga ny olana. Voalaza fa ny iray tamin’ireo naratra ireo, dia namoy ny ainy fotoana fohy monja taorian’ny ratra mafy nahazo azy. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany ny OMC any an-toerana. Vokany : olona 11 izao no efa voasambotra anaovana ny famotorana sy ny fanadihadiana rehetra.

Niony   H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici