- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversIkalamavony : Olona 38 namonjy sao-drazana, maty may kilan’ny afo

Ikalamavony : Olona 38 namonjy sao-drazana, maty may kilan’ny afo

Zava-doza mahatsiravina indray no nitranga tany amin’ny distrikan’Ikalamavony, ny asabotsy alina lasa teo. Olona 38 no namoy ny ainy, may kila nandritra ny lanonam-pianakaviana iray notanterahina tany Ambatolava, fokontany Kiangatsa Imandro, Kaominina ambanivohitr’i Mangidy. Raha zohina ny zava-niseho, tokantrano iray an’andrimatoa Randrianantenaina Jean Fidèle, fantatra amin’ny hoe « Ralaimija », no nanasa fianakaviana maromaro raha nanao sao-drazana noho ny fitokanan-trano vao vita. Nanamboatra trano mirindrina sy mitafo mololom-bary maina teo an-tokotany arak’izany ny tompon-danonana hisakafoan’ireo vahiny. Tsy lavitra teo no nisy ny fatana nandrahoana ny sakafo rehetra, teo amin’ny roa metatra teo. Ny andro fahatelon’ny fitokanana, ny asabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, sondriana dia sondriana tamin’ny lanonana nokarakaraina tokoa anefa ny rehetra ka tsy nahare akory ny trano efa nirehitra. Ilay trano fisakafoana teo an-tokotany no nirehitra voalohany, avy eo niitatra nahazo ny trano be misy rihana roa nisy  ireo mpilanonana ny afo. Marihina fa nitafo bozaka ihany koa ity trano be ity ka nahamora ny firehetany izany. Rehefa nahazo ny tany amin’ny efitra ambony ny afo, dia nirohotra nivoaka nitady fitsoahana avokoa ireo olona tavela tao. Ny varavarana fivoahana anefa tokana sady tery ka nanano sarotra ihany ny toe-draharaha. Noho ny fahatairana, dia tsy nisy nahay na nahatadidy ny fomba famohana ilay varavarana. Ilay trano rahateo vaovao, io vao notokanana io. Marihina mantsy fa sintonina avy any anatiny no famohana ilay trano, saingy natosik’izy ireo ho any ivelany ilay varavarana ka tsy tafavoha mihitsy fa vao mainka aza nanidy azy izany. Etsy ankilany, ny setroka nameno ny trano nanempotra ny sasany ka natahorana azy ireo. Ny varavarankely rahateo kely dia kely ka tsy azo nivohana na nidirana. Ny sasany torana nianjeran’ny gorodona. Ny olona teny ivelany koa tsy afa-nanoatra intsony manoloana an’ity afo be efa nijoalajoala teo anoloan’ilay trano. Vokany : olona 38 no namoy ny ainy, may kila tao. 18 tamin’ireo no lehilahy ary ny 20 ambiny kosa dia vehivavy. Marihina fa 16 tamin’ireo 38 may ireo  ankizy avokoa. Olona telo hafa naratra mafy ary mbola miady amin’ny fahafatesana eny amin’ny hopitaly. Tsy fantatra mazava arak’izany izay tena nahatonga ny afo. Vinaniana ho ilay fatana nandrahon-kanina teo an-tokotany no nianjera. Marihina fa ny tompon-trano sy ny zanany faralahy 14 taona izay nitsambikina teo amin’ny varavarankely sisa velona tamin’izany fa ny vadiny sy ny zanany 7 mianadahy hafa dia maty may avokoa. Saika fianakaviana iray avokoa noho izany ireo namoy ny ainy tamin’izany. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-misy ny Kaomandin’ny « Groupement » Matsiatra Ambony sy ny Kaomandin’ny Kaompania Fianarantsoa ary ny Officier de coordination an’Ikalamavony narahin’ny lehiben’ny Faritanin’i Fianarantsoa. Ny polisy ao Mangidy no miandraikitra feno ny fanaovana ny famotorana sy ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity hain-trano nahafatesana olona maro dia maro ity.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici