- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Faty 87 voakorontana, nisy nangalatra avokoa ny taolan-dava

Manjakandriana : Faty 87 voakorontana, nisy nangalatra avokoa ny taolan-dava

Tsy andro tsy alina fa dia manohy ny asa ratsiny hatrany ireo mpamaky fasana sy mpangalatra taolam-paty.  Ny zoma hariva, 22 jolay, lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy 10 minitra tany ho any, fasana roa ao amin’ny fokontany Maromena, Kaominina ambanivohitr’Ambohibao Atsimo, distrikan’i Manjakandriana indray no nisy namaky. Marihina fa tsy lavitry ny tanàna no misy ireto fasana ireto, tokony eo amin’ny dimy kilaometatra miala ny tanàna ary 10 kilaometatra miala ny Borigady Andriampamaky kanefa mbola tanterak’ireo olon-dratsy ihany ny asa ratsiny. Ny fokonolona nanao fisavana ny fasana noho ny resaka halatra taolam-paty niely tao an-tanàna no nahita ireo fasana roa efa nisokatra nidanadana ireo. Avy hatrany izy ireo dia nampandre ny tompom-pasana roa tonta izay samy mipetraka eo Moramena avokoa. Rehefa nidirana ary ireto fasana vaky dia akory ny hagagana fa razana 87 efa mikorontana ambony ambany no tratran’izy ireo tao sisa. Nohamarinina ary tsy ampy ka fantatra fa nisy nagalatra avokoa ireo taolan-dava tamin’ireto razana 87 nikorontana ireto. Talohan’izao tranga izao anefa dia efa nanentana ny manodidina rehetra ny sefo fokontany mba hiaro ny fasany mba hialana amin’ny fahaverezan’ireo taolam-balo. Efa eo am-pelatànanan’ny zandary any an-toerana ny raharaha ary efa miroso amin’ny fanadihadiana sy ny famotorana ihany koa izy ireo.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici