- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Jiolahy saron’ny fokonolona, naratra mafy vokatry ny daroka

Antsirabe : Jiolahy saron’ny fokonolona, naratra mafy vokatry ny daroka

Lehilahy iray no saron’ny fokonolona tao Avaratsena Antsirabe omaly alina, nikasa hangalatra izy ity saingy taitra ny tompontrano ka raikitra ny fifanenjehana.

Omaly Alatsinainy tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany maraina no taitra ny tompon’ilay trano raha nahare  korontana tao an-tokotaniny.  Rehefa nivoaka ny trano ny lehilahy iray tao an-trano dia io tokoa fa nifanojo tamin’ilay jiolahy teo an-tokotany. Raikitra avy hatrany ny ady, nifampitana izy roa lahy, sady niantso vonjy ihany ny tompontrano. Nikasa handositra ilay voalaza fa  mpangalatra ary nihanika ireny fefy misy horonan-tariby ireny, ny manodidina sy ny mpifanila vodirindrina rahateo efa maro no taitra ka samy niandry izay mety hivoahan’ilay jiolahy. Raikitra ny fifanenjahana nony avy teo ka saron’ny fokonolona ihany ilay lehilahy, voalaza fa tsy nihetsika tao an-tokotany intsony izy ary nilaza fa olon-tsotra fa tsy nikasa hangalatra. Nodarohan’ny fokonolona ity farany avy eo ka naratra mafy, ny tanany rahateo efa rovitry ny tariby tamin’ny fefy  raha ny fahitana azy. Nandà hatramin’ny farany ny fiampangana azy ity lehilahy ity ary nambarany fa nivoka hividy sigara no anton-diany. Mahalasa ny saina ihany anefa hoe iza no handeha hivoaka hividy sigara amin’ny roa 2 ora maraina, ary tao anaty fefin’olona rahateo no nahatratrarana azy. “Bidon” maromaro niaraka tamina gony no nambaran’ny tompontrano fa tsy hita intsony. Efa noraisin’ny polisy an-tanana ny raharaha. Fa ankoatra izay dia fantatra fa lehilahy telo koa no voasambotra tamin’io marain’ny Alatsinainy io. Teo Andranomafana no nahatratrana azy telo lahy ireo. Malaza be mpanendaka mantsy eo amin’ny toerana somary misy kininina eo Andranomafana eo ary maro no efa voaendaka teo, indrindra fa ireo mpiasa mirava harivariva.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici