- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAlarobia Amboniloha : Tovolahy avy nifoka rongony, maty nananton-tena

Alarobia Amboniloha : Tovolahy avy nifoka rongony, maty nananton-tena

Tovolahy iray no hita faty, nihantona teny ambony hazo, omaly folakandro, tetsy Alarobia Amboniloha. Manodidina ny 25 taona eo ity tovolahy ity ary tsy mponina eny an-toerana. Tsy nahitana na inona na inona mahakasika azy rahateo tany aminy, ankoatra ny vola mitentina 34 200 ariary, finday tsy misy “puce”, ary fonosana rongony miisa telo. Mpandehandeha eny amin’iny faritra Alarobia iny fotsiny izy, raha ny filazan’ireo mponina, ary toa hoe any Mahatony no tena mipetraka sy misy ireo ray aman-dreniny. Tamin’io folakandro io dia mbola maro ireo nilaza  fa nahita azy nandehandeha teo Amboniloha. Nisy sasany tamin’ireo aza nahita azy nilanja tady niolomay niakatra ho any akaikin’ny siniben-drano tany ho any, ary nihazo tany malalaka iray. Ity tany malalaka ao ambadik’io sinibe-drano ao Alarobia io, izay haniriana manga vitsivitsy dia zary filalaovan’ny ankizy. Ary nisy ankizy nilalao mihitsy tamin’io fotoana io, raha ny angom-baovao teny an-toerana. Ireo ankizy ireo no mbola nahita an’ity tovolahy iray ity, nifopoka zavatra, izay nolazain’ireo nahita avy hatrany fa rongony, teo ambody manga. Nihanika ilay hazo ary namatotra izany. Samy taitra avokoa ireto ankizy ireto raha nahita azy nitsambikina avy eny ambony manga, ary nihantona teo. Ireo kilonga ireo no nampandre avy hatrany ny fokonolona. Efa nivoaka ny lelany ary tsy nisy azo natao intsony taminy, raha ny fantatra hatrany. Hany herin’ireo fokonolona dia niantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tamin’ny fisavàna ny razana nataon’ireo mpitandro filaminana, sao mba ahafantarana ny mombamomba an’ity tovolahy ity, no nahitan’izy ireo, ireo vola marobe, finday, sigara ary fonosan-drongony maromaro ireo, tao anatin’ny paosin’ilay pataloa “jeans” sy “blouson cuir” teny aminy. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay tena antony nanosika ity tovolahy ity hamono tena tahaka izao. Fantatra fa efa nanokatra ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici