Romotra tahaka ny biby raha vao mahita lehilahy ity zazavavy iray 19 taona, monina ao Ankofafa Fianarantsoa. Raha ny fantatra dia hanala fanadinana bakalorea amin’ny fiandohan’ny volana aogositra io ity tovovavy ity izao lasa adala tampoka noho ny ankasomparan’ ny hafa nahavoa azy. Araka ny fanazavana azo dia nisy naka teo amin’ny fanahazan-damba teo an-tokotany ny haron’ ankajony (blouse) fitondrany mianatra sy ny atin’ ankajony izay nihahy, ny alarobia tolakandro teo. Hita teny ambodim-pasana ireo fitafy ny ampitson’io, fotoana nahalasa adala an’ilay zazavavy. Nanomboka io alakamisy io, isaky ny mahita lehilahy mandalo ity tovovavy ity dia antsoiny hanao firaisana aminy ary mitanjaka esoriny ny ankajony.
Ankasomparana. Manoloana izany, ranomaso ny an’ireo ray aman-dreniny. Ny henatra sy ny vavan’olona manginy fotsiny, satria lasa adala ilay zanaka hendry sady nahay nikoizan’ny fianakaviany sy ny mpiara-monina tamin’ny fianarana. Tovolahy iray mpiara-mianatra amin’ity zazavavy ity izay voalaza fa nitsiriritra azy efa hatry ny ela no sady nanao fiteny hafahafa no ahiahian’ny havany ho namorika an’ ity tovovavy ity, satria isaky ny alina manodidina amin’ny 11 ora ka hatramin’ny misasak’alina dia taitra tampoka foana amin’ny torimasony izy, ary miantsoantso ny anaran’io tovolahy io sady mitady lalana hivoahana ny trano foana, ohatra an’ireny azon’ny fanainga lavitra ireny, hoy ny reniny latsa-dranomaso.
Eric Manitrisa