- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversIkalamavony : Tafakatra 39 ireo maty, 2 lasa lavenona tanteraka

Ikalamavony : Tafakatra 39 ireo maty, 2 lasa lavenona tanteraka

Mikasika ilay hain-trano mahatsiravina nitranga tany amin’ny distrikan’Ikalamavony ny sabotsy alina lasa teo, dia niampy iray indray ireo maty vokatr’izany. Tafakatra 39 noho izany ireo namoy ny ainy tamin’izao loza be izao: lehilahy 37 taona monina ao Ambatolava, naratra mafy noho ny fahamaizany nikaroka ireo razana. Raha zohina ny tena zava-nitranga araka ny fanadihadiana notanterahin’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana dia voalaza ihany koa fa rehefa rava ny lanonana natao nandritra ny telo andro, ny andron’io sabotsy io, dia samy namonjy fodiana avokoa ireo fianakaviana sy namana akaiky nasain’Andriamatoa Ralaimija tamin’izany. Nisy kosa ireo nisafidy ny natory tao amin’ilay trano vao notokanana. Ilay tompon-trano kosa dia natory tao amin’ilay trano famahanana. Natory aloha avokoa ny rehetra noho ny tahotra dahalo izay manjaka tokoa any amin’iny faritra iny. Noho ny harerahana azo tamin’ny fety anefa dia tsy nisy nahatsinjo intsony ny afo teo an-tokotany nandrahoana ny sakafo rehetra nandritra ny lanonana nokarakaraina, izay nitoetra tsy lavitra ny trano famahanana vita tamin’ny mololom-bary maina, dia tsy maty tanteraka. Ny rivotra nitsoka rahateo nanampy izany hiredareda indray. Nahazo ilay trano mololo noho izany ny afo ka nandrehitra izany, izay nitatra ka nahazo ilay trano be vao vita sy nisy ireo fianakaviana natory ihany koa. Nalaky be ny firehetana sy fitaran’ny afo noho ny fitsokan’ny rivotra. Ilay rangahy tompon-trano, raha vao nahita ny afo nidedadeda dia niantso vonjy avy hatrany saingy noho ny tsy fisiana mpamono afo any an-toerana dia tsy nisy azo natao intsony. Nifanesika nidina ny tany ambony rihana raha nahare ny antso vonjin’ny tompon-trano. Ny varavaravana anefa natosik’izy ireo tany ivelany ka vao mainka nihidy aok’izany. Ny olona teny ivelany nahita ny zava-niseho tsy afa-nanoatra intsony noho ny haherin’ny afo. Marihina fa ny varavarana sy ny tafon-trano vita mololo no nirehitra voalohany tamin’izany. Niotsaka teo amin’ireo olona tavela tao ny tafo ka nandoro azy ireo. Fantatra fa olona roa tamin’ireo namoy ny ainy tamin’izany no may kila tanteraka (carbonisés). Ny 36 hafa kosa dia fahamaizana (brûlures) sy fahasemporana (asphyxiés) noho ny setroka. Ankoatra ny zanaky ny tompon-trano izay nitsambikina teo am-baravarankely izay folaka dia olona roa mpiara-monina ihany koa no maratra mafy vokatry ny fangalana ireo razana. Fantatra ihany koa fa 17 tamin’ireo maty dia fianakaviana iray fasana amin’ny tompon-trano avokoa. Ny sasany fianakaviana avy lavitra ary ny sasany dia namana akaiky. Ilay raim-pianakaviana taorian’ny zava-nitranga dia very saina tanteraka mihitsy, satria tsy afaka niresaka intsony, ity raim-pianakaviana izay efa nanana aretin-tsaina nitaiza azy taloha saingy efa sitrana teo. Tonga niaraka ory tamin’ny fianakaviana 18 tafo mana-manjo ny OMC faritra Matsiatra ambony notarihin’ny Kaomandin’ny CIRGN, ny Kaomandin’ny “Groupement”, ny Sekreteara Jeneralin’ny Prefektiora ary ny Talen’ny Kabinetran’ny Faritra; ny OMC Distrika Ikalamavony misy ny Zandarmariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena avy ao Fianarantsoa ary ny lehiben’ny Distrikan’Ikalamavony; ny iraka avy amin’ny Fitondrana foibe tarihi’Andriamatoa Joël Tiana Herizo Randrianasolo mivady, ahitana ny Filoha lefitry ny Antenimeran-doholona, ny Tale Kabinetran’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena,  ny BNGRC nasionaly ary ireo mpiara-miasa akaiky eo anivon’ny faritra miaraka amin’ireo mpitandro ny filaminana. Ireo no solontenan’ny mpitondra tonga nanolotra ny “fao-dranomaso” sy “ranom-bary tsy masaka” ho an’ny velona (vary fotsy 500 kilao) ary “singan-dandy” ho an’ny maty (lamba 100 metatra).

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici