- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBejofo Ambatondrazaka : Nahazo tobin’ny zandary ny tanana

Bejofo Ambatondrazaka : Nahazo tobin’ny zandary ny tanana

Niaina lava tao anatin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny tebiteby  tato ho ato ny kaominina ambanivohitra Bejofo ao anatin’ny  distrikan’Ambatondrazaka .Ny fakana ankeriny renim-pianakaviana iray sy ny fanafihana tanana no tena nahoraka ary efa sarona ka nampidirina amponja moa ireo nahavanona ny loza . Birao hiasan’ireo zandary (Poste fixe)no napetraka ny Asabotsy faha  22 jolay 2016 izay natrehan’ny talen’ny kabinetran’ny faritra Alaotra Mangoro  ,ny sekretera jeneraly ny prefekitiora ary ny lefitry ny lehiben’ny zandary avy eto Ambatondrazaka   sy  ny ben’ny tananan’ny Bejofo  Atoa Ranaivo Jean baptiste. Ny vahoaka ao Bejofo  sy ny kaominina no niantoka ny vola nanaovana ny trano izay misy efitra 5 izay hipetrahan’ireo zandary  ka ny GP2 Ramahefarimanana no hitarika ireo zandary. Araka ny nambaran’ny lehiben’ny zandary dia hiovaova ireo zandary ireo araka ny asa tanterahany avy ka nanentanany ny mponina hiara-hiasa aminy  .Nisaotra sy velombolo ny vahoakan’i Bejofo fa afaka miaina ampilaminana amin’izay manomboka izao

  Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici