- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Velaran-tany mirefy 5000 Ha no tsy miantsy harovana

Toliara II : Velaran-tany mirefy 5000 Ha no tsy miantsy harovana

Dinabe amin’ ny fiarovana ny ala. Velaran-tany mirefy 5000 Ha eo ho eo, ao amin’ny alan’i Tsinjoriake, ao Andatabo Toliara (Kaominina Betsinjaka) ka mipaka hatrany kaominina Saint-Augustin distrikan’i Toliara II, no voafaritry ny lalàna 2015-781 ka tsy maintsy arovana, ary ny fikambanana TAMIA Tsinjoriake no misahana ny fiarovana azy, ary ny Page/GIZ kosa no mpamatsy vola. Raha ny fanazavana azo dia efa ela no nanao fangatahana ho faritra arovana ny alan’ny Tsinjoriake ny fikambanana TAMIA. Tratra ny tanjona ankehitriny noho ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny GIZ sy ny Tany Meva, ary ireo mpandraharaha sy ny fikambanana maro samihafa monina sy miasa any amin’iny toerana iny.

Hisarihana mpizaha tany ho fidiram-bolan’ny kaominina. Noho ny fananany harena tsy roa aman-tany misy ao, toy ny fahitana ireo vorona “Filament rose”, ireo dobo voajanahary, ary ny fananany tora-pasika maro sy ny ala voajanahary, hita fa mety hihalany tamingana, dia tanjona amin’izao, raha ny fanazavana voaray hatrany, ny hisarihana ireo mpizaha tany mba ho fidiram-bolan’ny kaominina sady ho fampahafantarana ny tanàna ihany koa, ary hanome asa an’ ireo tanora, hialana amin’ny fidonadonaham-poana. Ny tena mampiavaka an’ity ala arovana ao Tsinjoriake manan-tantara ity dia mandalo eo ny teboky ny “Tropic du capricorne”.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici