- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Manjaka ny gaboraraka sy kotaba amin’ireo toeram-pisotroan-toaka sy karaoke

Toliara : Manjaka ny gaboraraka sy kotaba amin’ireo toeram-pisotroan-toaka sy karaoke

Toeram-pisotroana sy filanonana maro eto Toliara no tsy manaja intsony ny lalàna velona misy, ka mampitaraina ny mponina ny kotaba misy amin’ny alina, ary tsy isaky ny faran’ny herinando intsony izany. Misy ireo manorina « bar » sy « karaoke » akaiky sekoly sy tobim-pahasalamana, ka tsy vitsy amin’ireo toeram-pialam-boly no mandefa zava-maneno mafy, mahasorena ny manodidina ka miteraka korontana sy ady saritaka matetika, toy ny tranga afak’omaly alina, satria rafitra ny totohondry teo amina raim-pianakaviana iray manana zanaka marary sy ny mpitantana “bar karaoke”.

Miparitaka etsy sy eroa ny loto. Raha ny fanazavana azo dia niangavy an’ity tompon’ny trano filanonana ity mba hampitsahatra ny tabataba, ary mba tokony hatao amin’ny antonony ny zava-maneno, kanefa valin-teny an’ avona sy fanimbazimbana no setrin’izany. Tezitra ity farany ka rafitra ny fifamaliana niafara tamin’ny fikasihan-tanana. Manginy fotsiny ny loto (pipy sy diky) miparitaka etsy sy eroa hita manodidina an’ ireo toeram-pisotroana sy filanonana. Ny fanendahana sy sinto-mahery tsy lazaina intsony. Ny tena loza, dia hatramin’ny ankizy tsy ampy taona na lahy na vavy io, indrindra amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao, dia afaka miditra mirevy sy manala azy malalaka ao, tsy misy bedy rehefa misy vola. Tokony handray fepetra hentitra amin’izay ny tompon’andraikitra mahefa mba hiverenan’ny filaminam-bahoaka, raha ny fanazavana azo hatrany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici