Mpangalatra sy mpibizina sokatra miisa 17 no voasambotra tany Androy ka nampidirina am-ponja avokoa hatramin’ny fiandohan’ity taona ity, raha ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Ambovombe. Noho ny ezaky ny fokonolona sy tompon’andraiki-panjakana any an-toerana tamin’ny fametrahana ny dina no nahatratrarana an’ireo fahavalom-pirenena, araka ny fanazavana voaray hatrany, satria tena saro-piaro amin’io harem-pirenena io ireo mponina any Androy fady mihinana sokatra.
Manota fady. Ankoatra ny figadrana dia tsy maintsy manadio ny ota fady nataony ireo mpangalatra sokatra ka mandoa vola sy mamono omby amin’ny toerana nakan’izy ireo ny sokatra mandeha an-tanety. Na dia eo aza anefa izany ezaka izany, dia mbola an-jatony maro ihany ireo sokatra avy any amin’ny tapany Atsimon’ny nosy iny no tafavoaka ary tafakatra eto an-drenivohitra, izay tsy hitan’ny mpitandro filaminana mpisava eny an-dalana mandritra fitaterana azy ireny.
Eric Manitrisa