Nampahafantara ny fijoroan’ny Fikambanan’ny Ben’ny Tanàna amin’ny tanan-dehibe eto Madagasikara ny fikambanana AMGVM, na “ Association des Maires des Grandes Ville de Madagascar . Tamin’ny alalan’ny fitsidihana ara pomba ofisaly ny filohan’ny Antenimieran-doholona Rakotomanana Honoré no nanaovana izany, sady natolotra azy tamin’io fotoana io koa ny sata mifehy ny fikambanana sy ny filazana fa tokony hojerena akaiky ny hasin’ny ben’ny tanàna . Nitarika ity fitsidihana ity ny filohan’ny fikambanana Paul Razanakolona, ben’ny tanànan’Antsirabe ambonivohitra. Ankoatra izay, nitafa mivantana tamin’ny ben’ny tanànan’ Antananarivo, Lalao Ravalomanana, koa ny fikambanana ka isan’ny notsindriana tamin’izany ny tokony hanorenana tranoben’ny ben’ny tanàna, izay hatao ao Antananarivo, ka ny tany sisa no angatahana amin’dRamatoa ben’ny tanàna.
Nilaza moa ny filohan’ny antenimieran-doholona fa hanao izay azony atao amin’ny fangatahana sy hetahetan’ireo ben’ny tanàna ireo sy ireo tombontsoa tokony ho azon’ny kaominina.
Mahatratra folo ny mpikambana ao amin’ity fikamban’ny ben’ny tanàna amin’ny tanan-dehibe amin’izao fotoana ity. Tanjon’ny fikambanana ny fampandrosoana ny kaominina misy ny mpikambana tsirairay avy.
Andry N.