- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMandroseza : Lehilahy nitsoraka tany anaty rano, tsy hita

Mandroseza : Lehilahy nitsoraka tany anaty rano, tsy hita

Ny alatsinainy lasa teo, lehilahy iray voalazan’ireo nanatri-maso fa nanao fitafiana miaramila no nisy nahita nitsoraka tany anaty rano teny min’ny tetezana Ambohitsoa tsy lavitra an’i Mandroseza. Vao nahafantatra ny fandehan-javatra ny rehetra dia nisy nampilaza tany amin’ny mpitandro filaminana sy tany amin’ny mpamonjy voina. Avy hatrany dia nandeha teny an-toeran ireo ary ny mpamonjy voina moa nanao ny asany tamin’ny fikarohana tao anaty rano tao. Roa andro taty aoriana anefa, voalaza fa tsy nahita mangirana izy ireo ary voalaza fa tsy mbola hitsa ilay lehilahy. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa roa izy ireo no niaraka tamin’ny fotoana nilazan’ny sasany fa nitsoraka tany anaty rano ny iray. Tokony ho tany amin’ny 4 ora tany ho any tamin’izay.  Izay antony nanaovany izany hatramin’izoa tsy fantatra. Be dia be ny resaka re teny an-toerana, indrindra ny avy amin’ireo mpivarotra marobe manamorona ilay toerana. Ny sasany niteny fa toa hoe namono tena izy io. rehefa lasa tany anaty rano mantsy ilay lehilahy, vetivety foana tsy hita intsony izay nisy azy, hoy hatrany ny resaka re. Ny olona sasany moa nanamarika fa tsy volaohany no nisy tranga sahala tamin’izao teny amin’ny manodidina fa efa nisy toe-javatra nitovy tamin’izao tany aloha tany.

Misokatra  ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ahafantarana marina ny antony nitsorahan’io lehilahy io tany anaty rano. Namono tena ve izy sa tsia ? re ihany koa fa miaramila miasa eny Mahazoarivo izy io. Ny fanadihadiana no afaka hamaritra ny tena marina amin’izany zavatra rehetra izany.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici