Fifandirana teo amin’ireto mpianakavy no niantombohan’ny raharaha ary dia niafara tamin’ny famonoana ho faty tamin’ny fomba feno habibiana izany. Lehilahy iray no maty, rehefa nokapakapain’ny rahalahiny tamin’ny famaky ny lohany, tany amin’iny faritra Ambatondrazaka iny ny herinandro lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy fivoriam-pianakaviana tao amin’ireto fianakaviana tao Didy ireto. Niha niakatra anefa ny fitenenana ary niafara tamin’ny fikasihan-tanana izany. Noraisin’ity lehilahy iray ny famaky ary tsy nisalasala ilehio nikapakapa ny rahalahiny, ary tsy navelany raha tsy namoy ny ainy. Nantsoina haingana ny zandary ary tonga teny an-toerana nisambotra ity mpamono olona ity, ary nentina natao fanadihadiana. Rehefa natao famotorana ny lehilahy dia nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana tao Ambatondrazaka, saingy naverin’izy ireo satria tsy nisy mpitory. Raha ny fantatra hatrany mantsy dia nandà ny hitory an-janany namono ity ny rain’izy ireo. Safidy faran’izay mangidy tokoa ny an’ity raim-pianakaviana ity satria ny iray efa namoy ny ainy, ary raha hitory izy dia higadra, mety mandram-pahafatiny ihany koa ilay namono. Na izany na tsy izany aza anefa, resaka famonoan’olona sy heloka bevava ny raharaha ka tsy maintsy noraisin’ireo tomponandraikitra an-tanana. Nampidirina am-ponja vonjimaika ihany ity ranamana ity taorian’izay, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L