- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Fiangonana 31 nanjavona ny lakolosy, mpitandrina sy tokantrano krisitianina...

Ambatondrazaka : Fiangonana 31 nanjavona ny lakolosy, mpitandrina sy tokantrano krisitianina 5 voatafika

Basy maherivaika no entin’ireo jiolahy manafika ny fiangonana hakana ny lakolosy, ary hanambanana basy ny mpitandrina na ireo krisitianina mitahiry ireo fitaovana ireo. Mihorohoro tanteraka araka izany  ny mpino ary misy mihintsy ny miraviravy tanana  noho ny tahotra aty Alaotra. Nanao fanambarana fampaherezana ny fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara faritany  Ambatondrazaka FFKM  ho an’ny mpitondra fanjakana mahefa ny mba handray andraikitra sy hijery akaiky izao raharaha maizina izao , sy nampahery ny fiangonana  ato anatin’ny  FFKM mba tsy ho kivy na ho ketraka  amin’ny finoana  manoloana  ny zava-misy  hatrehantsika indrindra  ho an’ireo fiangonana sy ny mpitondra fiangonana voatafika noho ny raharaha « LAKOLOSY »  sy ho an’ireo fiangonana tsy afaka mampiasa lakolosy noho ny tahotra .Tsarovy hoy ny fanambarana fa tsy ny fanenon’ny  lakolosy  ihany  akory no manainga antsika hivavaka  sy hanantona an’Andriamanitra ,ary hasehoy fa ao anatintsika Kristy .Mandray andraikitra tanteraka araka izany ireo mpitondra fivavahana  amin’ny fiarovana ny mpino sy ny lakolosy , ary mangataka tolo-tanana haingana amin’ny mpitondra hisamborana ireo jiolahy .Hatreto aloha dia mbola tsy misy ny voasambotra  ka izay hatrany no mahamailo ny mpino krisitianina ary ny lakolosy ny fiangonana EKAR sy FJKM no tena betsaka very satria ny fiangonana  zandriny  tsy misy lakolosy .Ahiana ny hiverenan’ny kiririoka ho an’ireo fiangonana eny ambanovohitra raha izao no mitohy.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici