Ny alahady 24 jolay alina lasa teo, manodidina ny tamin’ny valo ora alina tany ho any, dahalo 40 lahy no niaraka nanafika ny tanàna iray ao amin’ny fokontany Tsinjorany, Kaominina ambanivohitr’i Bemahatazana, ditrikan’i Tsiroanomandidy. Voalaza fa samy nirongo basim-borona na « fusile de chasse » avokoa ireto olon-dratsy ireto nandritra izany fanafihana izany. Vokany : votsotra lasan’izy ireo tamin’izany ny omby miisa 28 ana mpiompy omby roa. Tsy nihanona tamin’izany anefa ny fokonolona fa avy hatrany dia nampandre ny zandary ny amin’ny toe-java-mitranga ary dia niroso tongotra mby an-dàkana ny amin’ny fanarahan-dia ireo jiolahy nanafika ny tanàna. Ny zandary tao amin’ny « poste avancé » ao Bemahatazana niampy ny DAS any an-toerana no nanampy azy ireo tamin’izany. Raikitra ny fifandonan’ny zandary tamin’ireo zandary arak’izany. Vokany : tafaverina soa aman-tsara any amin’ireo tompony ireo omby 28 nangalarina. Tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy tamin’izany fa ny « pare-brise » ny fiara tsy mataho-dàlana an’ny Kaominina nentina nanarahan-dia no vaky. Efa eo am-panaovana ny famotorana mahakasika io raharaha io ireo zandary ao Bemahatazana ankehitriny.
Niony H.