- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbato Boeny : Zandary roa maty norasarasaina, olona 10 voasambotra

Ambato Boeny : Zandary roa maty norasarasaina, olona 10 voasambotra

Herinandro vitsivitsy izao no niseho ity famonoana zandary roa ity tamin’ny fomba mahatsiravina, tany amin’ny faritra Ambato Boeny. Norasarasaina tamina zava-maranitra ireto mpitandro filaminana roalahy ireto. Raha jerena amin’ny sary, tsy nananan’ireo mpamono antra mihitsy ireto olona ireto. Nisy dian’antsy: ny tongotra, ny tarehy, ny faritra hafa amin’ny vatany. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana ka fantatra izao, fa olona folo voarohirohy amin’ity zavatra ity no efa nosamborina. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa nandeha nanao fisafoana ireto mpitandro filaminana ireto. Natory tao amin’ny tanàna iray niaraka tamin’ny fokonolona tao an-toerana. Tamin’izay fotoana izay anefa, efa nisy dahalo hanafika. Taorian’ny famonoana dia fantatra fa basy kalaky roa no very niaraka tamin’ny bala. Taorian’ny fanadihadiana no nahazoana nisambotra ireo olona folo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici