Tsy hay na vokatry ny fialonana na lonilony na asan-jiolahy tsotra izao. Raim-pianakaviana iray no maty namoy ny ainy voavely kibay teo amin’ny lohany, tany amin’ny reniranon’i Onilahy, distrikan’i Betioky Atsimo. Raha ny vaovao voaray, dia niala tao an-tranony vao maraina ny talata teo ity lehilahy ity rehefa nandeha nanjono. Tsy niverina intsony izy ny hariva, ka nifampitadiavan’ny fianakaviana sy ny mpiray tanàna ity rangahy ity satria noheverina ho latsaka tany anaty rano. Ny ampitson’io, nisy nahita ny fatiny nihosin-dra. Rehefa natao ny fizahana ny razana dia vaky ny lohany ary nisy mangana be ny faritry ny vatany, ary mbola hita tsy lavitra teo ny vatan-kazo namonoana azy. Karohina kosa ilay nahavanon-doza izay mbola tsy fantatra hatreto na dia efa misy olona ahiahian’ny fianakavian’ny maty aza.
Eric Manitrisa