- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Tovolahy mpitaingina môtô, maty nofahaon’ny taxi-be

Ivato : Tovolahy mpitaingina môtô, maty nofahaon’ny taxi-be

Nandriaka indray ny rà teny amin’iny faritra Ivato iny ny sabotsy hariva lasa teo. Tovolahy iray manodidina ny 25 taona nitondra môtô no maty tsy tra-drano rehefa avy nofahaon’ny taxi-be, mampitohy ny renivohitra amin’iny faritra Ivato iny. Inoana fa samy nandeha mafy ity môtô ity sy ilay taxi-be, raha ny fahasimbana ity tamin’ny roa tonta. Ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia nitodi-doha hiakatra aty an-drenivohitra ity môtô ity raha handeha ho any Ivato any koa kosa ilay taxi-be. Somary tao anaty fiolanana no nitranga ny loza. Azo vinavinaina amin’izany, hoy ireo nanatri-maso fa mety ho samy nangalatra lalana izy roa tonta ireto. Filazan’ireo olona sasantsany indray dia hoe, nisongona taxibe iray teo anoloany ity fiara nahavanon-doza ity. Teo am-pisongonana iny mihitsy anefa ity farany no nipoitra tampoka ilay môtô ary dia tsy afa nialàna intsony ny loza. Voafaoka tamin’izany, tao anatin’ny hafainganam-pandeha mafy ilay môtô. Nipitika avy hatrany ary nahazo ny fitaratra alohan’ilay taxibe ilay tovolahy, avy eo nitontona mafy tamin’ny tany. Simba tanteraka kosa ilay môtô scooter nentiny. Nandriaka ny rà. Raha ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra teny an-toerana dia nidona mafy tamin’ny arabe ny lohan’ilay tovolahy ka vaky. Maty tsy tra-drano noho izany ratra nahazo azy izany ity tovolahy ity. Fantatra fa nentina tany amin’ny tranom-paty ity tovolahy namoy ny ainy tampoka ity, raha notazomina natao fanadihadiana ao amin’ny biraon’ny zandary kosa ilay mpamilin’ilay taxi-be.

Fa mbola resaka  lozam-pifamoivoizana ihany, taxi-brousse marika sprinter iray no nivadika tamin’iny lalam-pirenena faha-7 iny, 5 kilaometatra tsy hiditra an’Ambohimasoa, ny sabotsy hifoha alahady teo. Vokany zazavavy kely vao 12 taona monja no maty tsy tra-drano vokatr’izay raha saika naratra avokoa ireo mpandeha rehetra. Raha ny fampitam-baovao azo dia taxi-brousse mampitohy ny renivohitra amin’i Toliara ity fiara ity, ary handeha hitodi-doha hianatsimo ny diany tamin’io fotoana io. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia teo am-pisongonana fiara iray ity sprinter ity no sendra lalana ratsy ary dia navarin’ny lavaka. Tsy tana intsony ny familiana ary io niafara amin’ny fivadiany io. Nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana tany an-toerana ireo maratra raha ny vaovao hatrany.

m.L / Antsa (stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici