Vehivavy teratany frantsay iray no naratra mafy, rehefa voatifitry ny jiolahy, tany an-drenivohitr’i Boina tany ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fantatra, dia iny izy saika handeha ho eny amin’ny tora-pasika, tsy lavitra ny trano fandraisam-bahiny nitoerany iny no nifanehitra tamin’ireo olon-dratsy. Nambanan’ireo olon-dratsy basy avy hatrany ity mpizahatany ity, ary norahonan’iretsy voalohany hanome izay any aminy. Tsy nanao afa tsy fitafy fitondra eny amin’ny tora-pasika anefa ity vehivavy ity ka tsy nanana n’inona n’inona nomena ireo olon-dratsy. Tsy nilasalasa anefa ireto farany nitifitra avy hatrany rehefa tsy nahazo izay nilainy. Niditra teo amin’ny sorony ny bala ary nivoaka tao an-damosiny. Naratra mafy ity vazaha ity ary voatery nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Noho ny ratra mafy anefa, dia tsy maintsy nentina niampita ranomasina atsy amin’ny Nosy La Reunion ny tenany manaraka fitsaboana. Efa am-pikarohana ireo olon-dratsy kosa ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.
m.L