Vita ny alarobia teo tao amin’ny fitsarana ambony misahana ny heloka be vava tsotra, ny fitsarana ny raharaha fanafihana ny volan’ny kaominin’i Toamasina, ny 14 aogositra 2014, izay nahafatesana mpiasa teo am-pidirana ny kaominina nitondra ilay vola 52 tapitrisa ariary karaman’ny mpiasa. Olona telo no voasazy 10 taona, asa an-terivozona sy 5 taona tsy mahazo mandia faritany dia Damy Sambeavy, Manjolahy ary Rakotonirina Pierre na Tsivahiny. Afaka am-pisalasalana noho ny tsy fahampian’ny porofo ho mpiray tsikombakomba kosa ireo mpiasan’ny kaominina telo lahy, toy izany koa ny olona telo hafa.
Lainga. Vao nanomboka ny fanontanian’ny mpitsara, dia samy nanana ny filazany avokoa ireo voampanga. Nilaza ny tsy mifankalala izy ireo, nefa teny am-pandehan’ny fanontaniana samy hafa dia nivaha ihany ny lelan’izy ireo, ary vaky am-batolampy ireo lainga nataony izay efa neken’izy ireo teo anivon’ny polisy nanao ny fakana am-bavany sy ny mpitsara zokiolona nanao ny famotorana in-telo miantoana ny raharaha. Fantatra tamin’ny fotoam-pitsarana fa Damy Sambeavy no nitifitra nahafaty an’i Davidson mpiasan’ny kaominina, i Manjolahy kosa no nitondra azy tamin’ny Scooter; izay tsy nahazo afa-tsy 2 tapitrisa ariary, Rakotonirina Pierre na Tsivahiny sy olona iray mbola tsy hita no nitondra ny vola tamin’ny môtô hafa. Ireo mpiasan’ny kaominina kosa na teo aza ny ahiahin’ny fitsarana dia noraisina avokoa ny fiarovan-tenan’izy ireo.
Nandritra ny fitsarana ihany koa, dia nitaky onitra iray miliara ariary tamin’ireo voampanga Rtoa Marivelona vadin’ny maty, saingy raha namoaka ny didy ny mpitsara dia tsy namoaka onitra afa-tsy 20 tapitrisa ariary.
Malala Didier