- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Zazavavikely may mikainkona, notondrahan-drenikeliny rano mangotraka

Toliara : Zazavavikely may mikainkona, notondrahan-drenikeliny rano mangotraka

Ankizivavikely vao efatra taona monja no may mikainkona nitsovaka hodi-tratra sy kibo notondrahan’ny renikeliny rano nangotraka, ny asabotsy misandratr’andro teo, tao amin’ny fokontany Amborongony Toliara. Raha ny fanazavana azo, dia tratran’io renikeliny io nangala-pihinana ity zaza ity. Nisafoaky ny hatezerana ilay renikeliny, raha nahita an’ity zaza voalaza fa noana mafy nangala-daoka tao am-bilany, ka nobatainy ny vilany mbola teo ambony fatana nisy rano mangotraka saika handrahoana vary ka nanondraka izany  tamin’ilay zaza. Ny tomany sy kiakiak’ilay zaza nitoreo may nitsovaka no nanaitra ny manodidina. Nentina haingana namonjy hopitaly ity zaza ho famonjena ny ainy, ary mbola manaraka fitsaboana hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra. Nilaza ny hitory tamin’ny famonoana ny zanany ny rain’ilay zaza, raha ny vaovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici