Mahakasika an’ilay lozam-pifamoivoizana an-dranomasina nitranga, tany Antsiranana II ny alakamisy 28 jolay lasa teo, dia mbola mitohy hatrany ny fikarohana ny fatin’ireo olona efatra ambiny rendrika niaraka tamin’ilay « vedette » nitondra azy ireo. Raha ny voka-pikarohana natao hatramin’ny asabotsy teo, hatreto dia ny fatin’ilay mpamily nitondra ilay « vedette » sy vehivavy iray no efa hita. Ny asabotsy maraina tamin’ny 08 ora sy ny asabotsy hariva tamin’ny 4 ora no nahitana an’ireto farany, tao amin’ny sisin-dranomasina manakaiky an’Ankinganala, fokontany Antananandreny, Kaominina ambanivohitr’i Mangaoka, distrikan’Antsiranana II. Raha zohina ny zava-niseho, « vedette » iray nitondra olona enina, vehivavy telo sy lehilahy telo anisan’izany ny mpamily, no niondrana an-dranomasina ny alakamisy maraina vao mangiran-dratsy manodidina ny tamin’ny dimy ora. Voalaza fa nitondra gonim-barifotsy betsaka ihany koa ity « vedette » ity tamin’izany. Ora maromaro taty aorian’ny niaingan’ilay « vedette » anefa, tsy lavitry ny toerana niaingan’izy ireo akory dia rendrika ilay « vedette » noho ny havesatr’ireo gonim-bary niampy ny haherin’ ny onjan-dranomasina izay namely izany. Lehilahy roa ihany no mba afaka nanavo-tena soa aman-tsara tamin’io fotoana io, fa ny olona efatra ambiny kosa dia niara-nanjavona tamin’ilay « vedette ». Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandarimariam-pirenena teritorialy miadidy ny moron-dranomasin’Antsiranana II, ka nandefa « vedette » efatra hafa nikaroka ilay « vedette » sy ny olona nanjavona niaraka taminy. Hatreto, mbola ny fatin’ilay mpamily sy vehivay iray no hita, izay efa natolotra ny fianakaviany avy. Mbola eo am-pikarohana tanteraka ny vatana mangatsiakan’ireo vehivavy roa ambiny ny zandary amin’izao fotoana izao. Mbola mitohy ihany koa ny famotorana.
Niony H.