- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina I- hetsiky ny polisy : Tovolahy roa maty voatifitra, fito hafa...

Toamasina I- hetsiky ny polisy : Tovolahy roa maty voatifitra, fito hafa voasambotra

Ny talata teo no nandray ny asany amin’ny maha-komandan’ny Hery Vonjy Taitran’ny polisy Toamasina (FIP) azy, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, izay efa nihazona io toerana io ihany teo aloha, saingy nisy ny fotoana namindrana azy tany Fianarantsoa talohan’izao fiverenany eto Toamasina izao. Dia nisy ny hetsika nataony niarahana tamin’ireo polisy namany nanao ny “Operation” mpamaky trano sy mpanendaka, izay tena mitondra ny tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina ankehitriny.

Ny zoma sy ny sabotsy ary ny alahady teo nanaovana ilay “Operation”, dia nisy ny vokatra azon’izy ireo tamin’ireo faritra efa kilasian’izy ireo ho faritra mena, arakaraka ny fitarainana sy ny fitorian’ny olona. Raha ny fanazavana dia tovolahy manao fikambanan-jiolahy roa no maty voatifitra teo amin’ny Bazary may Ankirihiry, raha nikasa hitsoaka tao anatin’ny tanàna maizina izy ireo teo am-panaovana ny asa fanendahana fanaony. Noho ny fitoriana nataona fianakaviana tao Ambalamanasy ihany koa, noho ny vaky trano nahazo azy ireo ny zoma alina hifoha ny sabotsy teo, dia raikitra ny fikarohana sy ny fisavana, ka tratra tamin’izany ny telo lahy nanao izany izay mbola nahatrarana entana sy fitaovana fampiasan’izy ireo. Ny teo amin’ny fanendahana eo amin’ny bazarin’i Valpinson kosa dia nisy efa-dahy tratra ihany koa, mbola niafina tany amin’izy ireo ny sabatra sy ny antsy fohy fandrahonan’izy ireo olona.

Tsy ampy taona. Na ireo roa maty voatifitra, na ireo fito voasambotra, dia tena mbola tovolahy erotrerony avokoa, misy aza miisa efatra mbola tsy ampy taona samy 17 taona. Ireo hafa kosa dia tanora 18 taona, 19 taona, 20 taona 23 taona, saingy samy mbola tsy manana kara-panondrom-pirenena avokoa. Mpinamana sy mifankahalala avokoa ireto andian-jiolahy ireto, noho izy ireo avy amin’ny fokontany mifanakaiky, dia Antseranampasika, Ambohijafy, Salazamay, ary Morafeno. Samy manana ny ekipany anefa izy ireo amin’ny asa ratsiny fanaony, ka mandeha andiany telo izy ireo mandritra izany asa ratsiny izany.

“Tsy ekentsika anjakan’ny jiolahy tahaka izao ity Toamasina ity, tsy maintsy apetratsika eto ny tanàna milamina sy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany amin’ny maha-polisy anay”, izay no nambaran’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Nomarihany fa hitohy hatrany ny hetsika mba hanana fahatokisana an’i Toamasina ny mpiala sasatra, mba tsy hisy ny tahotra isafidian’izy ireo an’i Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici