- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Famonoana feno habibiana mpiasam-panjakana, hiakatra fitsaràna ato ho ato

Morondava : Famonoana feno habibiana mpiasam-panjakana, hiakatra fitsaràna ato ho ato

Fantatra fa ny 10 aogositra ho avy izao no hiakatra fitsaràna ao Morondava ilay resaka famonoana nahafaty an’Andrianantoandro Roberto, “assistant d’admistration” tany an-toerana. “Somary mahagaga anay ihany ity fahamaikàna loatra amin’ny fitsaràna ity. Ao Morondava mantsy dia toa mbola marobe ireo raharaha famonoana olona mitarazoka efa an-taonany maro, tsy mbola voatsara”, hoy ireo rahavavin-dreniny tonga taty aminay. Araka izany dia manahy mafy ary matahotra ny mety ho fisiana ambadika hafa amin’izao toa fahamaikàna izao loatra ireo fianakavian’ny maty. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia niniana novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity mpiasam-panjakana vao erotrerony ity, ny sabotsy 7 mey. Nopotehana tamin’ny totohondry misy vy ny tarehiny, rehefa avy nodorana tamin’ny afon-tsigara, ary avy eo novelivelesina tamin’ny tavoahangy ny lohany, hanapitra ny ainy, tamin’io alina io. Nisy fetin’ny fiankaviam-ben’ireo Zanak’Atsimo atsinanana tany an-toerana tamin’io fotoana io. Niaraka tamin’ny namany telo sy mpiara-miasa aminy akaiky, niara-nisotrosotro Itpkl Roberto tamin’izay, ary tany, raha ny filazan’ireto fianakaviana ireto, no namonoana azy ho faty. Voarohirohy avy hatrany tamin’ity raharaha vono olona ity ireto olona niaraka taminy farany ireto, ary nampidirina am-ponja avy hatrany ny telo, nahazo fahafahana vonjimaika ny iray, taorian’ny nanolorana azy ireo teo anivon’ny Fampanoavana, 12 mey. Telo volana aty aoriana dia io hiakatra fitsaràna ato ho ato io ilay raharaha. Miantso ny fitondràm-panjakana mahefa isan-tsokajiny araka izany ireto fianakaviana manana ny maty ireto mba hanaraka akaiky ity raharaha vono olona mahatsiravina ity. “Irianay fa mba tena hanjakan’ny fahamarinana ary handray ny valin’asany ireo nandatsaka ny ain’ny zanakay ity”, hoy ny antson’izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici