- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatànana : Mpiantsena voasakan-dàlana, lasa ny vola 20 tapitrisa ariary sy ny...

Maevatànana : Mpiantsena voasakan-dàlana, lasa ny vola 20 tapitrisa ariary sy ny firavaka volamena

Ankoatra ny fanakanan-dàlana an’ireo fiara manao zotra nasionaly dia miroso amin’ny fanakanan-dàlana ireo mpiantsena indray ny jiolahy. Ny alahady 31 jolay lasa teo, tokony ho tamin’ny 8 ora maraina, olona efatra saika handeha hamonjy tsena any amin’ny Kaominina ambanivohitr’Antanimbary, distrikan’i Maevatanàna, no nosakanana dahalo telo lahy tao Vavarano Bevondrona ao amin’ny fokontany Marosakoa. Samy nirongo kibay avokoa ireto olondratsy ireto nandritra izany fanafihana izany ka sarotra ho an’ireo mpiantsena ny nanohitra azy ireo. Lasan’ireo jiolahy araka izany ny vola be nentin’ireto farany saika hiantsenana, vola izay mitentina 20.110.000 ariary. Voaroba ihany koa ny volamena vovony fito grama ary ireo firavaka volamena rehetra teny amin’izy ireo. Nandositra nianatsimo avy hatrany ireo dahalo rehefa nahazo izay nilainy tany amin’ireto mpiantsena ireto. Marihina fa tsy nisy ny naratra na aina nafoy tamin’izany. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary miisa efatra avy ao Betsiboka, izay notarihin’ny GP1C Randrianarivony Jean Baptiste, nanao ny fanadihadiana.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici