Isany olana tao Fenerivo atsinanana tato ho ato izay ny trangana hain-trano goavana ity. Isany mahatonga ny tsy fahafehezana ny afo ny fitaovana fanamboarana ireo trano izay mora mirehitra sy ny tsy fananan’ny kaominina Fenerivo atsinanana fiara mpamonjy voina sy hain-trano hatramin’izay.
Zaza roa may kila. Ny alin’ny alatsinainy teo hifoha ny talata teo, tao amin’ny fokontany Fenerivo – Doany ampitan’ny fiangonana jesosy mamonjy ao Fenerivo atsinanana, dia trano 23 no may kilan’ny afo izay nahitana fianakaviana 40 ary misy olona 250 miara-monina tao. Ny tena nampivarahontsana ireo nanana ny trano may sy ny mponin’i Fenerivo atsinanana manontolo izay niara-nientana namonjy ireo tratrin’ity hain-trano ity, dia ny famaizan’ireo zaza roa izay vao 9 volana sy 8 taona izy ireo izay kilan’ny afo naharitra adin’ny roa taty aoriana vao maty tanteraka.
Raha ny fanazavan’ny talem-paritry ny mponina Atoa Razafimahefa Tojotiana, dia ny tandrametaka nataona tokantrano iray mpiara-monina tamin’ireto fianakaviana 40 may trano ireto no nahatonga ny loza. Tsy mba manana fiara mpomonjy voina sy hain-trano hatramin’izay naha-kaominina azy anefa ny ao Fenerivo atsinanana, ka mora tamin’ny afo no nandevona ireo trano 23. Noho ny fifanampian’ny mponina anefa no tsy nampihitatra izany tamin’ny trano hafa intsony hoy hatrany ny fanazavany.
Tsy niandry ela fa omaly maraina dia tonga nanatitra ireo voahangony ho famonjena ireo tra-boina ny teo anivon’ny faritra Analanjirofo sy ny talem-paritry ny mponina. Isan’ireny ny lamba fitafy noho ireo tra-boina tsy misy afa-tsy ny teny an-kodiny noho ny fikoropahana, ny sakafo sy ny fitaovana mifanaraka amin’izany, ary trano lay ho fampiantranoana aloha ireo fianakaviana may trano ireo.
Malala Didier